banner

 

banner

 

banner

 

mod_vvisit_countermod_vvisit_countermod_vvisit_countermod_vvisit_countermod_vvisit_countermod_vvisit_counter
mod_vvisit_counterAujourd'hui11

FILAZANA FAMENONY

> Filazana famenony

PDF Print Email

                                                       FILAZANA FAMENONY

  1. Mety foana, raha tianareo, ny manampy anarana na tari-dalana samihafa eto amin’ity tetiarana ity. Ny sasany aminareo izay tsy naniry ny anoratana ny anarany eto, dia afaka miray mandrakariva amin’ny fianakaviam-be. Izany zavatra izany dia ho fifaliana tokoa ho an'ny havana rehetra, satria ho fihetsika kanto izay mampiray sy maneho fifankatiavana sy firahalahiana izany.

  2. Ny sasany aminareo izay tsy mino loatra fa zava-dehibe ny tetiarana, dia tokony hahatsiaro fa, indray andro any, ny zanakareo, ny zafi-kelinareo na ny zafiafinareo dia mety mila hahafantatra ny fiavian’izy ireo. Ny fahafantarana hoe avy amin’ny fianakavian-dRanona sy Ranona isika, ny fahazoana mahita ny fiaviana tsy fantatra na very tadidy dia zava-dehibe tokoa ho any ny filaminan-tsaina ho antsika olombelona. Mba jereo kely fotsiny ny manjo ny zaza narian-dreniny mba hahafahanareo hahatsapa tsara ny fahoriany sy ny fahadisoam-panantenan’izy ireo, rehefa manomboka mitady ny fiaviany izy ireo.

  3. Asa goavam-be sy lava tokoa ny fanaovana ity tetiarana ity. Efa nisy havana sy namana vitsivitsy ihany izay nanomboka nanomeha amim-pahatsorana sy maimaimpoana ny fanampiany teo aloha. Kanefa noho ny fahasarotana sy ny fahamarony ny andraikitra sahanina, dia voatery niantso olon-kafa taty aoriana. Izany no nahatonga anay hiantehitra amin’ny fahaizan’ Atoa William Arthur, izay anisan’ireo ingénieurs informaticiens, mpiara-miasa ao amin’ny ekipan’I Harijaona Ramanantsoa, havantsika. Atolotra eto ho an’izy mianaka ny fisaorana sy fankatelemana avy amin’ny fianakaviana manontolo.

  4. Raha tsy nisy koa ny fanampiana feno fitiavana avy amin’ny Hanitra Ramanantsoa Razafimbelo, dia nety tsy nahazo ireo sary maromaron’ny havana izay nodimandry isika. Nitady hatraiza hatraiza tao an-tranony izay tahaka ny “Caverne d’Ali Baba” na zohin’i Ali Baba Hanitra, mba hahita ireo sary tena tranainy izay navelan’ny razambentsika. Fisaorana sy fankasitrahana tanteraka no natolotra sy mbola hatolotra ho an’i Hanitra !

  5. FERNAND ROQUES (29.03.1928 – 19.07.1999) izay vady faharoa an’I CLARICE RAFARASOA, dia milevina ao Carré Militaire Anjanahary, Antananarivo. Sora-pahafatesana N°351 natao tao amin'ny Boriboritany faha-5 eto Antananarivo tamin'ny 20 jolay 1999. I Fernand Louis Philippe Roques dia avy any Albi, Frantsa ary zanak'i Fernand Henri Philippe Roques sy i Eugénie Rosa Anna Noell.

  6. Momba ny tranon-drazana ao Tsaralalana, dia tsara ny milaza eto fa efa feno zato taona mahery izy io. Tena lova sy fananana sarobidy izany izy io, koa tsy maintsy atao mihitsy izay mety mba hitazonana azy io soa aman-tsara hatramin’ny farany. Ho ela velona anie io trano io! Kanefa, mba hahatotosan’izany, dia tsy maintsy kolokoloina mandrakariva izy io ary hotolorana fitiavana sy fanajana lalandava.
    Inty misy sary iray hafa maneho ny trano sy ny manodidina azy, nalaina tamin'ny taona 1980.

  7. Noho ilay fefy manodidina azy, dia tsy misy fomba hahazona maka sary ny fasana manontolo eo Anjanahary, izay toerana ilevenan’Itkl Ronsard Andriamanana sy ny vadiny, Hélène Ravoniarisoa ary ireo havana rehetra izay efa voalaza teo aloha. Io fefy io ihany, izay napetraky ny tompon’ny sekoly eo akaikin' ny fasana izany, no hitanareo. Tsara ho marihina eto fa kanto lavitra noho ilay fefy teo aloha io fefy ankehitriny io.

  8. Guy Gérard ANDRIAMANANA dia milevina eny amin’ny fasan’ny fianakavian’ny vadiny, eny Zafimbazaha-Dilambato. Izany no noheverinay sy Jocelyne anabaviko fa mety tamin’izany fotoana izany, satria tsy nampoizinay fa mbola misy toerana eny amin’ny fasan-drazana eny Faravohitra Avaratra. Taty aoriana vao naheno izahay fa mbola misy toerana ihany any. Na ho ela na ho haingana dia haorina ny fasana vaovao ho an'ny taranak’i Denis Andriamanana, ary ao no hapetraka indray i Guy, eo anilan’i Denis sy Clarice ary Nadia, zanak’i Guy sy Louisette. Eliane-Brigitte sy Jean Mamy dia hajanona ao Anjanahary ihany, satria tsy misy mahafantatra marina ny toerana misy azy mianadahy ary koa efa nodimandry daholo ny zokiolona nahalala izany.

  9. Isaorana koa i Roger RAMANALY nanome ny sarin’Itkl Ignace RAMANALY, anadahin’i Hélène RAVONIARISOA, renibentsika. Ny trano niainan’Itkl Ramanaly dia tsy lavitra ny fasana ao Anjanahary misy an’i Hélène Ravoniarisoa. Zara raha andehanan-tongotra telo minitra izy io. __________________________________________

 Tranon-dry Denis Andriamanana fahiny,tao Ampandrianomby, tamin'ny taona 1955 tany ho any

alt
Ny sary tsy miloko dia mampiseho ny ampahiny kely ny zaridainan'ny tranon-dry Denis Andriamanana fahiny,tao Ampandrianomby, tamin'ny taona 1955 tany ho any. Tsy manana ny sary iray manontolon'io trano io tamin'izany fotoana izany izahay, indrisy. Efa ela dia ela no niala tao ny fianakavian-dry Denis Andriamanana, fa  ilay sary miloko kosa dia ny sarin'io trano io ankehitriny, izay manana ny maha izy azy ary mbola mitana ny endriny kanto sy mahafinaritra izay nananany atramin'izay sy ampatsiahy antsika irony andro kanton'ny fahazazana, fotoanan'ny fihantahantana teo anilan'i papa sy mama malala. I papa sy mama dia nalaza fatratra raha ny fandraisana sy fampihan-tranoana ny vahiny noho resahana. Vonona foana hizara ny hanin-kanina sy handray ny havana sy ny namana an-trano, na mandritry ny fotoana mafy sy mangidy aza. Toy ny trano fialofana omen'Andriamanitra io trano nifonenan'i papa sy mama io ary hiarà-mahalala tamin'izany fotoana izany fa noraisiny ankafaliana sy antanan-droa foana ireo izay tonga mandodona.

alt

--------------------------------------------------------
 
        
IREO HAVANA MALALANTSIKA IZAY NODIMANDRY ARY TSY MBA NANAN-TARANAKA

Indrisy, tsy mba nanan-taranaka izy ireo, fa isika izay raitampo aminy na zanaky ny raitampo aminy dia eo lalandava hitahiry am-po ny fahatsiarovana azy ireo sy hanome hasina azy mandrakariva.

Tsindrio ny sary ahitana sary hafa

EMILE ANDRIAMANANA PHILIBERT ANDRIAMANANA LUCIEN ANDRIAMANANA
alt alt alt
FRAMBERT RAKOTOARIMANANA JEAN RAKOTO BEBY RAVONIMANANA
alt alt alt
HARIVELO RAMANANTSOA
alt