Filazana
|
|
|
Ity tetiarana ity dia karazana antema na faneva ho fahatsiarovana ireo razam-bentsika sy ireo havantsika efa nodimandry ary hanampy antsika koa hahatsiaro ny anaran'izy ireo, mba hahafahantsika mampita an'izany amin'ireo taranaka ho avy. Hanampy antsika koa izy hahafantarantsika ny fisian'ireo zanaky ny mpiray tampo amin'ny ray aman-drenintsika ary ny raibe sy ny renibentsika, izay miely eran'izao tontolo izao. Hampiray sy hampifankatia : izay koa no tanjona mihaja kendren'ity tetiarana ity.
Fahiny, dia tsy nahazatra ny ray aman-dreny malagasy ny nanome avy hatrany ny zanany ny anaran'ny ray na ny anaran'ny reny. Ao amin'ny fianakaviana iray dia mety ho nanana anarana samihafa ny ankizy nateraka. Izany toe-javatra izany dia somary hafahafa ihany ho an-dry zareo Tandrefana ary mazana mampirohonahana sy mahalasa saina azy ireo, kanefa ny tanjona kanton’io fomba io dia natao mba tsy hahavery tadidy an’ireo razana nodimandry. Mety hahitanao fanazavana sy taridalana bebe kokoa momba io fomba io ao anatin’ny lahatsoratra tena mahaliana ity: "Maninona ny anarana Malagasy no lava toy izao ?" http://www.slateafrique.com/829/pourquoi-noms-malgaches-si-longs.
Mba tsy hisian’ny tsy fitovian’ny anarana ao amin’ny fianakaviana iray, dia nataonay izay hitazonana ny endrika teo am-boalohany ny anaran’ireo havana any ampita, izay nanafohy ny azy. Kanefa tsara ho marihina eto fa tsy io akory no endrika raikitra amin’ireo.
Ity tetiarana ity dia vita soratra an-taratasy sarobidy mirefy 85x105. Tena sangan’asa kanto tanteraka io taratasy io ary mety atao takelaka ahantona ao an-tranon'ny iray amintsika.
Ingahy RAINDRAOTO (1801-1819), zanak'i Rarabo sy Ramatoa Razakamanana, dia loholona tena manam-pahefana be sy manan-karena fatratra. Izy no namatsy ny ampahany lehibe tamin’ny fanorenana ny Fiangonana protestantan'Amparibe Famonjena. Ity fiangonana ity no toerana natokana ny taranany mba hankalazana isan-taona ny fahatsiarovana azy, nanomboka tamin’ny 1919, izay taona nahafatesany, tamin’ny faha-118 taonany. http://amparibe.famonjena.free.fr/Tantarampiangonana11.htm ===> Tataran'Amparibe Famonjena Ao amin'ny bokiny atao hoe "Tranom-panjaka, Tranon'ireo olona avo toerana sy avo razana teto Madagasikara"http://books.google.fr/books?id=ID_2T5EMFBQC&pg=PA336&lpg=PA336&dq=e.baudin,Tribune,++riches+Hova+Tananarive&source=bl&ots=UtVFxxxVJV&sig=WNW-G62FMwa64OjbsPqwwQxpsRs&hl=en&redir_esc=y#v=onepage&q=e.baudin%2CTribune%2C%20%20riches%20Hova%20Tananarive&f=false dia nampatsiahivan'i Didier Nativel ilay soratr' i Eugène Baudin tao amin'ny La Tribune de Madagascar 07/01/1933 milaza hoe Ingahy Raindraoto "dia anisan'ny Hova nanankarena indrindra teto Antananarivo. Tena nalaza fatratra izy izany." Dia mbola nilaza koa i Didier Nativel hoe: "- tao amin'ny lapan'i Radama I nanomboka tamin'ny 1818. - Malagasy voalohany izay nanaiky hiova finoana sy hanompon'Andriamanitra tao amin'ny fiangonan' Amparibe. - Mpitsara tao Ambatondrafandrana. - Nivarotra ny tany nanorenan'i Dr Villette ny hopitaly fiterahana." Ireo teny etsy ambony ireo dia manamafy izay efa voalazany ny taranak'Ingahy Raindraoto momba ny harem-beny, ny taniny izay marobe tsy voatanisa ary ny fahombiazana azony tamin'izay rehetra nataony teto andrenivohitra sy ny manodidina. Tsara ho marihana koa fa mbola fito ambin'ny folo taona fotsiny i Raindraoto tamin'ny 1818. Ity lien ity http://www.fonds-patrimoniaux.mg/gsdl/collect/butana/index/assoc/HASH01cf/bf69304d.dir/UTBUFL4074%25281919%2529_585-101-103-398.pdf dia mampiseho ny fotopototry ny tantaran'Ingahy RAINDRAOTO nataon' i Pasitera Andriamasinoro tao Amparibe tamin'ny 29 jona 1919. Toa nanambady mihoatra ny indray mandeha hono Ingahy RAINDRAOTO, araka ny lovan-tsofina. Rtoa RASEHENO, vadin’Ingahy RAINDRAOTO faharoa dia niterahany valo, ka RAVELO no zokony sy lahy tokana. ( Filazam-pahafatesan'i RAVELO N° 1740 tao amin'ny Boriboritany Voalohany Antananarivo, tamin’ny 8 oktobra 1928. Boky mipetraka ao amin'ny Firaketa-draharahan'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany). Ireto avy ny anaran'ireo zaza ireo: Ravelo, Ramatoa Ramparany, Ramatoa Rafaratiana, Ramatoa Randako, Ramatoa Ravoavy, Ramatoa Rasoanalina, Ramatoa Ramanantenasoa, Ramatoa Rafara-Razaivelo. RAHA FINTININA IZANY DIA TOY IZAO: RAINDRAOTO + RASEHENO ===> RAVELO (nodimandry 4 oktobra 1928), RAMPARANY (nodimandry 10 jolay 1928), RAFARATIANA, RANDAKO (nodimandry 25 oktobra 1937), RAVOAVY, RASOANALINA (nodimandry 8 jona 1930), RAMANANTENASOA, RAFARA-RAZAIVELO (nodimandry 9 janoary 1938). RAVELO (1844 — 1928) dia nanambady indroa. Ilay vadiny voalohany, RAMANANA, dia niterahany an'i Dr.Ronsard ANDRIAMANANA . Ny vadiny faharoa, RAKALA, dia nananany zanaka roa: Dr HIPPOLYTE RABESAIKY sy Rtoa RAMANANDRAIBE. RAHA FINTININA IZANY DIA TOY IZAO: RAVELO + RAMANANA ===> RONSARD ANDRIAMANANA. ARY RAVELO + RAKALA ===> DR HIPPOLYTE RABESAIKY, RAMANANDRAIBE. Dr Ronsard ANDRIAMANANA dia niteraka zaza enina tamin'ny vadiny, Hélène RAVONIARISOA: Herbert, Emile, Angèle, Philibert, Lucien ary Denis. Tamin'ireo zaza enina ireo dia Herbert, Angèle sy Denis ihany no nanan-taranaka. RAHA FINTININA IZANY DIA TOY IZAO: DR RONSARD ANDRIAMANANA + HELENE RAVONIARISOA ===> HERBERT, EMILE, ANGELE, PHILIBERT, LUCIEN, DENIS. Tamin'ny andron'ny fanjanahatany, ny andraikitra nomena an'i Ronsard Andriamanana (ary torak'izany ny namany malagasy dokotera) dia ilay hoe "médecin de colonisation de 4ème classe" ao amin'ny A.M.I na hoe Assistance Médicale Indigène. http://fpm.refer.mg:8000/gsdl/
http://books.google.fr/books/about/Bulletin.html?id=Xm8vAAAAYAAJ&redir_esc=y Ireo liens roa eo ambony ireo dia mampiseho taratasy milaza fa afaka soa aman-tsara tamin'ny fanadinan' ny 3ème année tao amin'ny Ecole de Médecine i Ronsard Andriamanana ary faha-telo ny laharany ao amin'ny listin'ny mpianatra afam-panadinana. Ny "Bulletin de l'Académie Malgache, Vol.49+50" tamin'ny 1972 dia manambara koa fa tamin'ny taona 1900 no nanomboka ny Ecole de Médecine i Ronsard Andriamanana ary rehefa nijanona kely fa tsy naharitra ela dia nanala indray tamin'ny taona 1902 ny fanadinana afahana miditra ao ary afaka soa aman-tsara. (Taratasy fototra "numérisé" tamin'ny 24.10.2008 avy amin'ny Cornell University).Ao amin'ny fokontanin'Isotry izay mifanila amin'ny Tsaralalana no niainan-dRAINDRAOTO sy ny ankamaroan'ny zanany. Tao amin'ny fasan-drazany ao Tsaralalana no nampetraka tamin'ny 29 jona 1919 Itkl RAINDRAOTO. ( Filazam-pahafatesana laharana faha 2398 natao tao amin'ny Boriboritany Voalohany Antananarivo, tamin’ny 8 jolay 1919. Boky mipetraka ao amin'ny Firaketa-draharahan'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany).Ity misy sarin'ny ampahan'ny fasana, tena manankaiky ny tranon-drazana lehibe izay naorin-dRAVELO sy ny vadiny voalohany, RAMANANA, tamin'ny taona 1864 tany ho any. Dr RONSARD ANDRIAMANANA, zaza tokan'izy roa no niandraikitra momba ny fanitarana sy ny fanatsarana an'io trano io ary nanome azy ny endriny farany, taorian'ny fanovaovana samihafa.
Ny sarin'ny tranon-drazana tsy miloko dia nalaina teo amin’ny taona 1950.
Io tranon-drazana io izay anisan’ny lova sy fananan’ny mpandovan’Itkl Ronsard ANDRIAMANANA dia mbola miorina eo amin’izao taona 2012 izao, izany hoe eo amin’ny 130 na 140 taona izany io trano izao. Tsara ho marihana eto fa ao an-Tsaralalana koa, tsy lavitra ny tranontsika, no misy ny tranon'ny havantsika, Bienvenu Rasoamanana, taranak'Itompokovavy Rafara-Razaivelo. Zanak'Itkl François Rasoamanana (12.03.1882 / 12.11.1948) sy Suzanne Ravololona (30.07.1904 / 05.02.1983) i Bienvenu ary 9 mianadahy izy. Ireto avy: Henriette Rasoavololomanana (28.08.1923), Bienvenu Rasoamanana, Bienaimé Rasoamanana (14.09.1930 / 11.02.1994), Ferdinand Rasoamanana, Fernand Rasoamanana, Jeanne Razaimanana (24.05.1929), Yvonne Rasoamanana (08.01.1933), Jacqueline Rasoamanana ary Rodolphe Rasoamanana (13.03.946 / 16.11.2010).
Hélène RAVONIARISOA, izay renibentsika sy reny niteraka ny renibe avy amin'ny raintsika, dia taranak'ireo TSIMIAMBOHOLAHIN' Ilafy , izay niavian'ny mpanolontsaina malaza an'ANDRIANAMPOINIMERINA ary vorompotsy tsy mahasarak'omby taminy. Raha fintinina, ny atao hoe "Tsimiamboholahy" dia ireo olona sahy miatrika ny fahavalony. Ilafy dia iray amin'ireo tendrombohitra masina 12 eto Imerina. Havoana misy tanà na rakotra ala ao, folo kilaometatra avaratr'Antananarivo, ary lalovan'ny arabe mankany Ambohimanga. eo amin'ny 1400 metatra eo no ahavony. Feno aviavy sy amontana, hazon'Andriana izay midoroboka mahafinaritra eny Ilafy. Renivohitr'Andrianjafy, anadahindrenin'
Ilay razam-ben'i HELENE RAVONIARISOA, ANDRIANTSILAVO (na Andriantsilavonandriana), dia ilay nantsoina hoe "ANDAFIAVARATRA". Ity voambolana ity izay midika ara- bakiteny hoe "any ankoatra avaratra", na marimarina kokoa "any ankoatra avaratry ny Rova", dia tsy manondro toerana iray mazava fotsiny eo amin'ny ilany avaratry ny havoanan'Antananarivo, fa manondro koa an'ireo taranaky ny mponina teo . Andafiavaratra dia no heverina ho toy ny toeran'ny Hova manan’ny maha izy azy ary manan-daza. Ny taranak'ANDRIATSILAVO rehetra izany dia "ANDAFIAVARATRA" avokoa. ANDRIANTSILAVO dia niteraka enina. RAINIHARO, iray amin'ny zanany lahy, izay filohan'ny Tafiky i RANAVALONA I, talohan'ny naha Praiminisitra azy, dia nanana fonenana tao Andafiavaratra. RAINIHARO dia niteraka efatra, ka ny iray tamin'ireo dia ny Praiminisitra RAINILAIARIVONY. RAINIHARO sy RAINILAIARIVONY dia milevina ao amin'y orimbato malaza "Fasan-dRainiharo", ao amin'ny fokontanin' Isoraka eto Antananarivo. Ny zanakavavy faha-efatr' ANDRIANTSILAVO, atao hoe RAVAO, dia niteraka efa-dahy, ka anisan'izany ny Mpitsara Ambony sy Minisitry ny Fitsarana RAINIMANANTOANINA, izay nanan-janaka telo ambin'ny folo. Zanaky ny mpiray tampo amin'ny Praiminisitra RAINILAIARIVONY izy. Itkl RAINIMANANTOANINA dia nodimandry tami'ny 18 septambra 1893. Transcription'ny didim-pitsarana N°817 tao amin'ny "Tribunal de Droit Local du 1er Degré" teto Antananarivo, tamin'ny 4 septembre 1958. Nitady atraiza atraiza ny sary sy ny daty naterahan' Itkl Rainimanantoanina izahay fa tsy nahita mihintsy. RAHA FINTININA IZANY DIA TOY IZAO: ANDRIANTSILAVO ===> RTOA RAVAO ===> MPITSARA AMBONY RAINIMANANTOANINA. Ny lien etsy ambany etsy dia mampiseho ny anaran'ny zanak'Itkl Rainimanantoanina teloambifolo. Raha toa ny iray aminareo izay taranak'ireo olona ireo sendra manana ireo taratasy samy hafa ireo, dia mba ilazao kely izahay raha azo atao. Ho vaovao faran'izay kanto sy goavana tokoa izany, satria razambe iraisantsika rehetra io olona manan-daza sy manamboninahitra io . Ireto avy ny anaran'ny zanak'Itkl Rainimanantoanina 13: Ramanantoanina, Rainisoamiato, Raharimanana, Ramanantseheno, Andriamihamina, Rainizanatseheno, Ramatoa Rasoamananantony, Rahaingo, Ramatoa Rasoanary, Ramatoa Rasoahary, Ravony, Ramatoa Rasoanjanahary, Ramatoa Rasoavelondray. Mety ahita filazana famenony eto ambany eto ianareo: http://gw5.geneanet.org/taniko?lang=fr&p=x&n=rainimanantoanina&oc=0&pz=x&nz=andriamanelo&ocz=0
RAHA FINTININA IZANY DIA TOY IZAO: MPITSARA AMBONY RAINIMANANTOANINA ===> RTOA RASOANARY ===> HELENE RAVONIARISOA. Hélène Ravoniarisoa dia milevina eo anilan'ny vadiny, RONSARD ANDRIAMANANA, ao amin'ny fasan-drazatsika ao Anjanahary. Ireto avy ny anaran'ny zanak'i Rtoa Rasoanary sy i Rainiketamanga, vadiny: Ranjaka, Razanadrasoa, Raketamanga, Ignace Ramanaly, Razafimanantsoa, Rasoamanambelo, Razafimalala, Rabarijaona, Robinson, Hélène Ravoniarisoa, Ranjalahy, Ravololona, Rakotomalala. Ireo anarana ireo dia mety hitanareo ao amin'ny "Acte de Notoriété" laharana faha-56 voasoratra tamin'ny 12.10.1939, milaza famindrana manontolo ny tany amin'olon-kafa taorian'ny fahafatesana (Mutation par décès). Kopia nalaina tao amin'ny Kadasitrin'ny Teratany izany ary voasoratra tamin'ny 01.06.1934 tao amin'ny Rejistry ny Tany tao amin'ny faritanin' Ilafy. Rejistra N°1,Folio N°57. RAHA FINTININA IZANY DIA TOY IZAO: MPITSARA AMBONY RAINIMANANTOANINA ===> RTOA RASOANARY + RAINIKETAMANGA ===> HELENE RAVONIARISOA TOERANA ILEVENAN'IREO HAVANA IZAY NODIMANDRY. Milevina any Faravohitra Avaratra ao amin’ny fasan-drazany: RAVELO sy ny zafinkeliny: EMILE ANDRIAMANANA sy PHILIBERT ANDRIAMANANA. Emile sy Philibert dia anisan'ireo zanak'i Ronsard Andriamanana, izay zanak'i Ravelo tamin'ny vadiny voalohany, Ramanana. Milevina ao koa: Félicie Rabarijaona, vadin'i Alfred Rabarijaona ary Lucien Rajaona mivady sy Georges Andriamanantena mivady. Terak'Itompokovavy Ramanantenasoa izy rehetra ireo. Milevina ao koa: Ireo mpiraitampo amin'i François Rasoamanana: Louis Raharijohn ary ny zanak'i Louis telolahy: Victor, Roger ary Jean de Valley. Milevina ao koa i Victorine Raketamalala, vadin'i Victor. Terak'Itompokovavy Rafara-Razaivelo izy mianakavy. Milevina any Faravohitra Avaratra ao amin’ny fasan’ny fianakaviany:HERBERT ANDRIAMANANA, ny vadiny BERTHILDE, ny zanany lahy JEAN FRANCOEUR, ny vadiny, ANGELE ary ny zanak'izy mivady lahy matoa, JAONA. Milevina ao amin’ny fasan-drazany ao Anjanahary, eo anilan’I RONSARD ANDRIAMANANA sy HELENE RAVONIARISOA:LUCIEN ANDRIAMANANA, DENIS ANDRIAMANANA sy ny zanany, ELIANE BRIGITTE sy JEAN MAMY ary ny zafinkeliny ,NADIA (zanak’I GUY sy LOUISETTE). Tsara ho marihana eto fa mandry am-piadanana eto koa ny havantsika, Charlotte RASOAMANANJARA RAZANONY sy ny zananivavy, Joséphine RABAKOARIVELO izay antsoina koa hoe "Fina". Milevina ao amin’ny fasan-drazany ao Ilafy eo anilan’I EMILE RAKOTOVAZAHA (atao hoe "RAKOTO") sy ANGELE RASOAVELOMANANA: ny zanany FRAMBERT, JEAN sy BEBY. Milevina ao amin’ny fasan’ny fianakaviany any Falimanjaka : JEANNE RASOAMIADANA sy ny vadiny EUGENE RAMANANTSOA ary ny zanany vavy HARIVELO. Milevina ao koa i Vololonoro RASOAFARA (18.06.1935 – 22.09.2011), vady faharoa an’I EUGENE RAMANANTSOA Milevina ao Ampasambazaha ao amin’ny fasan’ny fianakavian’IGNACE RAKOTONDRAZAKA (caveau lot N°13): i SUZANNE AIMEE RANARIVELO, vadin’I JEAN RAKOTO. Nodimandry tamin’ny 24 novambre 1993 i SUZANNE. Milevina ao amin’ny fasan-drazany ao Manjakaray, eo anilan’ny raiamandreniny, Rtoa RAZANADRAIBE sy JUSTIN RAZAKA i CLARICE RAFARASOA. I JUSTIN RAZAKA, izay mpanao galona sy mpitendry zava-maneno, dia zafin-kelin'i Razafindrazaka izay namorina ilay hira protestanta malaza "Esory re, ry Raiko". I Justin Razaka no nanao ny "arrangement musical" taoriana. GUY ANDRIAMANANA, dia milevina any Zafimbazaha-Dilambato (Tsiafahy), eo ampiandrasana ny fahavitan’ny fasam-baovaon’ny fianakavian’I DENIS ANDRIAMANANA. FERNAND ROQUES (29.03.1928 – 19.07.1999) izay vady faharoa an’I CLARICE RAFARASOA, dia milevina ao Carré Militaire Anjanahary, Antananarivo. Sora-pahafatesana N°351 natao tao amin'ny Boriboritany faha-5 eto Antananarivo tamin'ny 20 jolay 1999. I Fernand Louis Philippe Roques dia avy any Albi, Frantsa ary zanak'i Fernand Henri Philippe Roques sy i Eugénie Rosa Anna Noell.
|










Filazana


